Actualités

Fanafoanana ny delestazy Fampanantenana poakaty


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Anisan’ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fianianana nataony ny andron’ny sabotsy 25 janoary 2014 ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny telo volana izay nanomboka tamin’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao ny volana aprily lasa teo

Efa miditra amin’ny volana faha-5 niasan’ireo mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka isika izao nefa toa mbola manenika ny faritra maro ihany ity fahatapahan’ny herinaratra ity. Manampy trotraka izany ny tsy fitoviam-pijery mampifanolana ny filoham-pirenena sy ireo mpiasa ao amin’ny orinasam-panjakana Jiro sy Rano Malagasy ankehitriny. Mbola an-dalana amin’ny fifampidinihana moa ny roa tonta ka adino kely aloha ity olana iray tena goavana mampikaikaika ny vahoaka Malagasy ity. Tena izy ve sa sarimihetsika io zava-mitranga amin’izao fotoana izao io mba ialana bala amin’ny tsy fahatontosan’ny fampanantenana nipoapoaka natao tamin’ny mpiray tanindrazana teo amin’ny fandraisana fahefana 8 volana lasa izay ? Ny mpiantsehatra sy ireo mpilalao fototra moa no afaka hanambara ny tena marina amin’izany. Ny tsilian-tsofina re rahateo no nahafantarana fa toa hoe miteraka adihevitra lehibe ankehitriny ny momba ny famatsiana ara-tsolika ny Jirama izay tsy nahaloa ireo trosa midangana be tao anatin’ny taona maro amin’ilay orinasa vahiny mpaninjara solika. Nampiato ny famatsiany moa ity orinasa ity ka  izay no antony mahatonga ny fiverenan’ny fahatapahan’ny herinaratra manerana ny faritra maro. Miandry ny fanazavana marina mikasika ity delestazy tsy misy farany ity moa ny mpanjifa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT