Actualités

Fanafihana tao Toamasina Iray maty, iray naratra, basy “mac 50” nisy bala fito sarona


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Toky nataon’ny talen’ny filaminana anatiny vaovao ao Toamasina, ny Jly LIE, ny hamerina ny filaminam-bahoaka, hanafay ireo jiolahy mpitam-basy manjakazaka....

Jiolahy mpitam-piadiana iray no maty vokatry ny fifanjevoana teo amin’izy ireo sy ny polisin’ny UIR (Unite d’Intervention de la Police) sy ny FIP (Force d’Intervention de la Police) ny sabotsy lasa teo. Jiolahy naman’izy ireo iray kosa no voasambotra niaraka tamin’ireo mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo niisa 3 ka vehivavy ny iray. Jiolahy 2 kosa no mbola karohina tafaporitsaka nandritra izany. Raha hiverenana ny raharaha dia nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana roa nifanesy tao Toamasina ny sabotsy teo. Ny voalohany tao Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 12ora sy sasany, tamina tranombarotra “Top Velo”, izay nahazoan’izy ireo vola 1 tapitrisa ariary. Avy eo ny tranombarotra iray tao Mangarivotra avaratra tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany tolakandro, izay tsy nahazoan’izy ireo na inona na inona kosa ary tao no raikitra ny fifampitifirana tamin’ny polisy. Jiolahy mitam-basy iray ihany no nahavanona ireo asa ratsy ireo. Vokatr’ilay fifampitifirana dia basy “Mac 50” iray sy bala 7 tao anatiny no sarona tavela tamin’ilay jiolahy maty. Ankoatra izay, dia nisy ny vokatra azon’ny polisy Toamasina nanomboka ny 4 - 29 jona 2014 teo araka ny tatitra voaray. Tamin’ireo olona voarohirohy niisa 39 tao anatin’ireo raharaha manodidina ny 20, dia niisa 25 miandry fitsarana am-ponja, ny 14 kosa nahazo famotsorana vonjimaika. Ny nanaitra fotsiny ao anatin’ny raharaha nalefa teny amin’ny fitsarana, dia ireo mpangarom-paosy sy ireo mpanao halatra tsotra no maro nofonjaina vonjimaika, fa ireo jiolahy mitam-basy sy ireo olon-tsotra tratra mitam-basy tsy ara-dalàna tahaka ny raharaha nitranga ny 24 jona lasa teo, nafahana nefa efa jiolahy fanta-daza ao Toamasina ny voarohirohy. Tamin’ireo jiolahin-tsolika tao amin’ny “La Seal” Ampasimazava nahasamborana olona 16 kosa, dia miandry fitsarana am-ponja ny 09, mbola tsaboina noho ny fahamaizany ny 4, mbola karohina fa tafatsoaka ny 2 ary matin’ny fahasemporana ny 3 izay voaporofo izao fa mpiasan’ny “la Seal” ny iray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT