Actualités

Fanafihana tany Ambatolampy Lehilahy iray naratra voatifitra, lasan’ny jiolahy ny vola 7 hetsy Ariary


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Nitrangana fanafihan-jiolahy tao Antsahabe, Kaominina Andriambilany, Distrikan’Ambatolampy ny alin’ny sabotsy hifoha ny omaly alahady. Vao niditra ny tanŕna ireo jiolahy dia nanapoapoaka basy ho fampitahorana ny mponina

. Rehefa tafiditra tamina tokantrano iray dia nanaovan’izy ireo an-keriny ny tovovavy 19 taona eo, avy eo nitaky vola ka 7 hetsy Ariary no lasany. Ora iray taorian’izay, nitrangana fanafihana indray tao Talakimaso Ambatolampy, ka lehilahy iray no notifirin’ireo jiolahy izay maratra mafy tsaboina ao amin’ny hopitaly amin’izao fotoana. Fantatra moa fa nitovy ny bala nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ny fanafihana. Mety ho iray tarika ireo mpanafika. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ka ho hita eo ny vokany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT