16 mianadahy no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana tamin’ilay raharaha fanafihana mpitrandraka vatosoa nitranga tany Vohitrarivo Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe ny 29 Aogositra lasa teo.
Niakatra fampanoavana avy hatrany izy ireo ka ny 8 no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora sy Tsiafahy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 8 ambiny. Raha tsiahivina kely ny tantara dia toerana fametrahan’ireo mpitrandraka vatosoa tao amina kariera iray no novakiana dahalo miisa 30 lahy izay nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika. Rehefa raikitra ny fifanjevoana dia olona roa no namoy ny ainy notifirin’ireo tsy mataho-tody. Very tamin’izany ihany koa ny vato sarobidy antsoina hoe : Titane amina kilao maromaro sy vola 5 000 000 Ar. Nametraka fitoriana moa ny tompon’ilay kariera nandritra izany ka izy 16 mianadahy ireto no tratra izay mbola nahatrarana ny ampahan’ireo vatosoa very tany amin’ny sasany tamin’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.