Actualités

FANAFIHANA MITAM-PIADIANA Olona roa maty, 2 tapitrisa Ar voaroba tao Andaboly Toliara


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Tovolahy 18 taona zanaky ny tompon-trano no maty.

Lelavola 12 tapitrisa ariary niampy fitaovana sarobidy maromaro tao an-trano no nanjifa toy ny fahitalavitra « écran plat », kavina sy rojo volamena ... Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny alahady teo, tao amin’ny fokontany Andaboly Toliara. Raha ny fanazavan’ny niharam-boina dia jiolahy dimy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika sy niditra amboletra tao an-tokantranony.  Tsy nanaiky lembenana amin’ny handrobana ny fananan’izy ireo ity tovolahy 18 taona zanaky ny tompon-trano ity ka sahy nifanandrina sy nanakana ireo jiolahy. Tifitra variraraka no setrin’izany ka maty tsy tra-drano izy.

 

Jiolahy dimy lahy no mandravarava ao Toliara

 

Raha ny angom-baovao, talohan’izao, mbola tao Andaboly Toliara hatrany, saingy ny alarobia lasa teo, mbola jiolahy dimy nirongo basy no nanafika tokantrano iray. Raha vao nahita an’ireo olon-dratsy ny teo an-tanàna satria nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo dia nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Tonga ara-potoana ny polisy ka raikitra ny fifampitifirana tamin’ireto fahavalom-bahoaka ireto ary tsy nifandrenesana ny feom-basy nirefodrefotra. Vokany, jiolahy iray maty lavon’ny balan’ny polisy. Ny sisa velona kosa mbola sahy nandrahona ny olona teo amin’ny manodidina, ary nilaza mbola hiverina hanafika sy hanao fahirano ny tanàna, raha ny fanazavan’ny mponina. Tsiahivina fa nanomboka ny 28 jona lasa teo no ho mankaty dia jiolahy dimy foana no mandraravara ao Toliara. Mitondra basy hatrany ary mitovitovy ny fomba fanafihany, dia amin’ny 5 ora sy sasany hariva hatrany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT