Ny alatsinainy tokony tamin’ny 07 ora latsaka fahefany hariva, dia nitrangana fanafihana mitam-basy ny vehivavy mpandraharaha iray tao Valpinson Toamasina. Very tamin’izany ny vola 20 tapitrisa ariary tao anaty sakosy.
Ramatoa iray koa no naratran’ny vakim-pitaratra vokatry ny tifitra nataon’ireto jiolahy ireo ny varavaran’ny fiarany. Teo am-bavahady hiditra ny tranony iny indrindra ilay mpandraharaha no nipoitra tampoka ny jiolahy telo nirongo basy kalaky ary nandrahona azy hanome ny vola rehetra tany aminy, izay nahagaga fa fantatr’ireo jiolahy hatramin’ny sandany. Namaly ilay ramatoa, ka avy hatrany dia nitifitra ireto jiolahy; izay no nahavoa ny varavaran’ny fiara nentiny ka nahavaky ny fitatra ary nandratra azy. Teo dia voatery namoaka ilay vola tanaty sakosy ilay ramatoa dia nirifatra nitsoaka ireto jiolahy ireto. Manana mpiambina ity mpandraharaha ity. Teo am-panokafana ny vavahady izy ireo no nanao amboletra ny jiolahy, ka tsy afaka nanao na inona na inona satria basy kalaky sy tanam-polo no nifanandrina.
Araka ny fanazavan’ny tao Valpinson sy ny fitantaran’ireo nahita ny fandehan-javatra, dia hita teny an-toerana ny ambin’ireo bala napoakan’ireto jiolahy ireto, ka tamin’izany no nahafantarana fa mitondra ny laharana 31/75 ny bala nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ity fanafihana ity. Mipetra ny fanontaniana, an’iza marina ary izany bala izany ? Raha ny filazana azo sy ny vaovao nangonina teny anivon’ireo fokonolona aloha dia toa misy hifandraisany amin’ny tafika Malagasy ity bala ity, ka ny tompony no tokony hanamarina na tsia izany filazan’ny olona izany.
Mila ho isan’andro ity fanafihana mitam-piadiana ity, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra. Manao ezaka ihany ny mpitandro ny filaminana, fa ny zava-misy eto amin’ny firenena mihitsy no manome vahana ireo jiolahy ka manasarotra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ireo jiolahy koa etsy an-daniny manana vaovao marim-pototra amin’izay ho tafihany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.