FANAFARANA SOLIKA

Vaky ny adin’ny Fanjakana sy ny GPM…


  • Alakamisy 13 Aogositra 2026

Vaky ny ambatolampy ny fifandirana

eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondron’ny mpandrahan’ny solika na ny GPM (Groupement Pétrolier de Madagascar) raha tarafina amin’ny fanambarana nataon’io vondrona io omaly. Navoitra fa samy Samy ho tonga ny 12 aogositra ao Toamasina ny gazoala 67 000 000 litatra nafaran’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM (State Procurement of Madagascar) sy ny an’ny GPM. Mifanontona ao Toamasina kanefa milaza ny GPM fa efa vita planina mialoha tahaka ny fanaon’izy ireo manaraka ny lalàna manan-kery ny azy. Milaza ny andaniny fa voalamina mialoha ny fahatongavan’ny sambo mitondra gazoala, lasantsy, ary solika fandrehitra ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, saingy tamin’ny didim-panjakana navoaka ny 4 Aogositra, dia nanao « réquisition » ny fanjakana amin’ny toby fitehirizan’ny GPM, ka tsy azo ampiasaina intsony amin’ny fandraisana ny solika nafaran’izy ireo izany. Manambana io Vondrona io, fa hisy fiantraikany amin’ny fitsinjarana solika amin’ny mpanjifa io « réquisition » io ka ahiana tsy hiparitaka manerana ny Nosy ara-potoana ny solika amidy. Noho izany, tsy ho tompon'andraikitra amin'izay mety ho olana ateraky ny tsy fahampian'ny solikana sy ny fikorontanan'ny famatsiana izy ireo, raha toa ka vokatr'io fanapahan-kevitra voalaza fa tsy niaraha-nidika io no antony, hoy ny GPM. Nambara fa tsy nisy fifampidinihana tamin’ireo mpandraharaha ara-solika talohan’ity fanovana ity, ka ahiana hiteraka tsy fahampian’ny solika sy fikorontanan’ny fitsinjarana manerana ny Nosy. “Efa nandritra ny roapolo taona mahery izahay no nanatanteraka fandaharan’asa ara-dalàna sy mahomby amin’ny famatsiana solika ho an’ny firenena,” hoy ny fanambarana nosoniavin’ny filohany, Marc Renauld, izay niantso ny fanjakana sy ny sehatra rehetra mba hanao fifampidinihana maika hanamafisana ny fiarovana ara-energetika sy ny fitohizan’ny famatsiana. Manamarika indray ny fifandonan’ny politika sy ny toekarena amin’ny sehatra stratejika indrindra eto amin’ny Firenena. Mihazakazaka ny toe-draharaha goavana izay heverina fa misy toe-javatra mifanohy
MAMPIASA NY FAHEFANY NY FANJAKANA
Marihina fa ny 3 Aogositra 2026 no nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny alalan’ny didy n°14 HCC/D3 ny lalàna n°2026 006 izay manome fahefana mivantana ny fanjakana Malagasy amin’ny fanafarana sy fitantanana solika. Mifanaraka amin’ny andiiny 116 sy 117 amin’ny Lalàm-panorenana momba ny fanomezana fahefana manokana amin’ny fanjakana ny fahefana momba ny loharanon-kery stratejika. Afaka manendry « entité habilitée » na rafitra nomeny fahefana hanao fanafarana, fitehirizana ary fitsinjaraa solika, ary afaka manao « réquisition » amin’ny toby fitehirizan’ny GPM raha ilaina ny Fanjakana. Lalan-tsaina sy tanjona ao anatin’io, araka ny fanazavan’ny HCC, ny fiarovana ara angovo nasionaly, ny fanaraha-maso ny vidin-tsolika, ary ny fiantohana ny fitohizan’ny famatsiana ho an’ny vahoaka. Ny fanjakana dia afaka mifehy mivantana ny tahiry sy ny fitsinjarana, manamaivana ny fiankinan-doha amin’ny tsena ivelany. Tafiditra amin’ny ady amin’ny ampihimamba,…

INONA NO METY HO VOKANY ?
Asa izay ho fivoarany satria efa tany amin’ny volana aprily 2026, ohatra, no nilaza ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko raha nihaona tamin’ny diaspora tany Frantsa izay niresaka ampihimamba, ka nanambarany fa mikasa hampiditra mpamatsy solika na Pétroliers hafa eto, fa mbola tsy tafiditra. Izy no namoaka tamin’izany hoe: tapitra ny volana mey izao ny fifanarahana amin’ireo kaompanian-tsolika 4, ary misy pétroliers Rosianina roa na avy any Qatar ho tonga eto Madagasikara. Nisy ihany koa ilay dian'ny PRRM tany Nigeria tamin'ny fiandohan’ny volana jona, ka nilazana ofisialy fa fifampidinihana mikasika ny famatsian'io Firenena io solika solika antsika no isan'ny anton-diany tany, ary efa vita tanteraka ny fifampiraharahana ka tsy ho ela dia hatao ny sonia ofisialy amin’ilay fifanarahana. Io no notsiahivin’ny PRRM omaly, ka nilazany fa « fiarahantsika miasa amin’ny Firenena Nizerianina, izay nataoko tamin’ny roa volana lasa teo, nihaonako tamin’Andriamatoa Tinubu, Filoha Nizeria », hoy izy. Tafiditra ao anatin’ny lalan-tsaina hifehezana ny ampihimamba io, ary azo lazaina ho fahasahiana goavana avy amin’ny Fanjakana. Ny resaka solika hamatsiana ny Jirama aloha no resaka eto, izay heverina fa mifanohy amin’ireo toe-draharaha mafana, toy ny fahasahian’ny Filoham-panjakana PRRM Randrianirina Michael nampiaka-peo sy handray fepetra tamin’ny orinasa lehibe iray mpamatsy herinaratra. Tena azo lazaina ho toe-draharaha goavana sy saropady ary tena mifadraika amin’ny raharaha stratejika lehibe eto amin’ny Firenena izao, mitory fahasahiana lehibe, mety tsy hahafaly ny hafa na ho tonga hatrany amin’ny famelezana ara-deplaomatika aza satria fatatra hoe iza sy avy aiza avy ireo eo amin’ny sehatra stratejika eto, saingy inoana fa efa niomana sy manana ny paikady mipetrapetraka ihany koa ny Fanjakana matoa sahy nandray fanapahan-kevitra goavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT