FANADIOVANA LAKAN-DRANO ETO IARIVO

Fotaka 1.000 m3 no tsy maintsy ho ariana any Miarinarivo


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Ariana any Miarinarivo, Faritra Itasy ireo fotaka 1.000 m3 alana ao anatin’ireo lakan-drano

telo lehibe eto an-drenivohitra hivoahan’ny rano dia ny lakan-drano GR sy ny C3 ary ny Andriantany. Nolavahana 1m sy 50 isanisany mantsy ireo lakan-drano ireo ho fisorohana ny tondra-drano eto an-drenivohitra mandritra ny fotoam-pahavaratra. Voakasik’izany manokana ny eny Andavamamba, 67 ha ka hatreny Ambodimita, izay mirefy 13 Km. Ao Anosibe kosa no toerana hanalana ny rano sy ny fako miaraka amin’ilay fotaka mba hanamaivanana ny fitaterana ireto farany. Hotanterina miazo an’Andralanitra kosa ny fako. Raha araka ny fantatra moa dia efa an-taonany no nifampiresahana tamin’ireo mponina any Miarinarivo mikasika ny hanariana ireo fotaka any amin’izy ireo koa andrasana izay mety ho tohiny. Amin’ny volana Jona taona 2025 moa no hifarana tanteraka ny asa rehetra.
Pati
Legende : Sady feno fako sy maloto no tsentsina tahaka izao ireo lakan-drano eto an-drenivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT