audits », tsy mahazo mivoaka ny Firenena…
Fanapahan-kevitra voalohany noraisin'ny Praiminisitra vaovao Herintsalama Rajaonarivelo ny toromarika hentitra mikasika ny fananam-panjakana sy famoahana volam-panjakana, indrindra eo anatrehan'ny mety ho fisiana fanararaotana eo anatrehan'ny fiovam-pitondrana eto amin'ny Firenena izao. Nilatsaka ny toromarika mitondra ny Lah. 117 PM/SGG/25 mamaritra izany, manamafy ny fanambarana nataon’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael ny 17 oktobra fa izay nilaza fa tsy maintsy henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben’ny Firenena nanodinkodinana fananam-panjakana sy harem-pirenena. Araka ity toromarika ity, ho fiarovana ny fananan’ny Fanjakana eo am-piandrasana ny fananganana ny Governemanta sy ny rafitra vaovao, dia takiana amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Praiminisitra sy ny Minisiteran’ny Sampandraharaha voatendry araka ny didy fandaminana tsirairay avy, ary koa amin’ireo rafitra mifandray aminy, ny fanomanana lisitra feno sy mazava momba ny fitaovana sy fanaka ampiasaina amin’ny birao, fiara, fitaovana informatika sy birao, ary koa ireo antontan-taratasy mbola miandry sy efa eo am-pamolavolana. Ankoatra ireo fepetra fitsitsiana araka ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao, dia nomena toromarika ihany koa izy ireo hanome antoka ny fandehanan’ny asa amin’ny fomba ara-dalàna sy tsy tapaka. Ankoatra izany, mandra-pahatanteraky ny fifamindram-pahefana sy ny fanadihadiana na "audits" ara-pitantanana hatao amin’ireo Minisitera sy sampandraharaha ao anatin’ny telo volana farafahatarany, dia tsy mahazo mivoaka ny faritry ny Repoblika ny tompon’andraikitra ambony raha tsy amin’ny alàlan’ny fahazoan-dalana manokana avy amin’ny Praiminisitra. Eo amin’ny lafiny tetibola sy ara-bola, dia tsy azo atao intsony ny fanekena fandaniana vola afa-tsy ho an’ireo lafin-javatra mifandraika amin’ny sakafo. Manome lanja manokana amin’ny fanatanterahana hentitra ity toromarika ity ny Praiminisitra, ary nampahafantatra fa tsy ekena velively ny fanoherana sy fandikana izany. Mizotra makany amin'ny fifehezana sy fanenjehana ny fitantanana gaboraraka, fanararaotana, fanodinkodinana fananam-panjakana sy volam-panjakana,... aloha izany ny fanapahan-kevitra voalohany noraisin'ny Praiminisitra vaovao. Betsaka na izany aza ny asa miandry azy, indrindra fa eo amin’ny fiatrehana ny famahana olana ara-tsosialy izay nitoloman’ny vahoaka, ny lafiny ara-bola izay mety misy olana lehibe amin’izao, ny fametrahana ireo lamina sy rafitra ivoahana amin’ny krizy,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.