Actualités

Fanadiovana faobe manerana ny nosy Haingo dison’Iarivo, hoy ny CRAM


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

« Haingo dison’Iarivo » ny andro iray fanadiovana an’i Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny CRAM na ilay sehatra misaina ny ho avin’i Madagasikara.

Vao nanomboka ny valan’aretina pesta dia tsy nahitam-peo, Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenena, hoy izy ireo fa volana vitsivitsy aty aorian’ny niparitahan’ny valan’aretina tamin’ny faritra maromaro manerana an’iMadagasikara vao milaza fa « hanao andro iray ho fanadiovana ny firenena » rehefa tafakatra an-jatony mahery ny mpiray tanindrazana matin’ny pesta. Raha ny zava-misy ao amin’ny Hopitalin’ny pesta Ambohimiandra dia efa manao vazivazy ireo marary manao hoe : « Ianareo izany sisa no marary tratra farany eto amin’ity herinandro ity dia ho ravana ny tranolay » satria efa vitsy ny mararin’ny pesta tsaboina ao. Amin’ny Repoblika fahadimy (5) dia ambara amin’ny fomba ofisialy mandritra ny 26 jona izay fankalazana ny Fetim-pirenena ireo tanàna sy tsena madio. Isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana jolay no hanaovana ny hetsika goavana amin’ny fizarana loka ho an’ny Fokontany, Firaisana, Fileovana sy Faritra madio sy maha te-honina isan-taona. Amin’io andro io ihany koa no hizarana fitaovana ho an’ny « tsena madio » manerana ny Nosy. Mitaky vina sy tetik’asa miaraka amin’ny tetiandro mazava tsara sady maha resy lahatra ny mpiray tanindrazana sy ny vahiny miasa sy monina eto Madagasikara ny fampiasana ireo volabe omen’ireo Vondrona Iraisam-pirenena, toy ny Banky iraisam-pirenena izay mitentina 5 tapitrisa dolara mba hiadiana amin’ny pesta, hoy hatrany ny CRAM.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT