Tonga ny fiarabe ACTROS voalohany, entina hanampiana ny CUA hanadiovana ny tanànan’Antananarivo.
Hampiasaina eny anivon'ireo boriborintany enina izy io hanadiovana sy hanondrahana ny ranom-panafody HTH hiadiana amin'ny valanaretina pesta. Ezaky ny kaominina vokatry ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina no nahazoana izany fitaovana avo lenta izany. Niaraka nisantatra ny fampiasana azy teny Mahamasina omaly ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny Filoha teo aloha sady mpanolotsaina manokana Marc Ravalomanana, ary ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako I Madagasikara teto Antananarivo. Nanambara ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa efa nisy hatrany ny fanadiovana teto Iarivo hatramin’izay, saingy mila atao mafimafy kokoa manomboka izao, indrindra amin’ny fisian’ny valan’aretina pesta. Tanjona amin’ny fanadiovana ny fanafoanana ny aretina sy ny fahadiovan’ ny tanàna ary tsy tokony hisy intsony, indrindra raha afaka tanteraka ny fako izay andraikitry ny SAMVA.
Mila asa matihanina
Matoa misy ny kaominina, dia izy no mandrindra sy mandamina ary mampandroso sy manadio ny tanàna. Manome toky aho ary milaza fa vitantsika ny fanadiovana ity tanàna ity, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Mba samy manaraka kosa ilay teny hoe “izay tsy mandoto dia manadio”, ary mba miezaka kely manala ireny fiara ireny rehefa mandeha ilay fiarabe. Fitaovana arifomba io ka tonga dia madio, ary raha miasa adin’ny 10 isan’andro dia azo antoka fa ao anatin’ny iray volana dia madio Antananarivo. Izany akory tsy milaza fa afaka ireny anaty zaoridira ireny satria mbola misy bakan-jaoridira izay nandefasana kamio, kanefa raha vao hingaina ilay baka dia miala ihany koa ny fanambaniny, dia tsy mety satria ireny no tena misy ilay loto sy otrikaretina. Tokony hieritreritra ny SAMVA hoe soloina ireny baka ireny fa raha tsy misolo ireny dia tsy hita izay hatao. Aleo aloha madio ilay tanàna dia rarahana ilay ranom-panafody HTH fa tsy toy ilay hita tamin’ny fahitalavitra hoe rarahana fanafody fahatany sy toa petatoko. Diovina dia hesorina ny fako izay vao rarahana HTH. 3000 litatra no hararaka eto Antananarivo aorian’ny fanadiovana. Aleo mba manana zavatra tsara sy matihanina, hoy izy. Hiady amin’ny pesta isika ary mahalala tsara hoe ny fahantrana sy ny fahavoretrana izay mila hiadivana mafy no antony, raha ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.