Actualités

Fanadinana fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana Mahatoky ny fomba fiasan’ny bianco ireo sekoly misahana izany


  • Alakamisy 04 Septambra 2014

Na dia tsy mety foana aza ny kolikoly amin’ny fiatrehana ireo fanadinam-panjakana maro samihafa dia tsy kivy ireo sekoly manome fiofanana manokana mifandraika amin’izany. Ho an-dRamatoa Lalaina Dietrich, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny CAES ( Cours d’Appuie pour Etudes Supérieus) etsy Ambanidia Ankazotokana manokana dia mahatoky ny fomba fiasan’ny birao mahaleotena misahana ny kolikoly ny tenany

Ankoatra izay dia notsindriany ihany koa fa anisan’ny antoka iray lehibe ho an’ ny sekoly tantanany ny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny ENMG ( Ecole Nationale de la Magistrature et de Greffe)  ny fisiana fitsapam-pahaizana mialoha ny handraisana ilay mpianatra ankoatra ny fisiana admissibilité. Ho an’ny fifaninanana hidirana ho mpitsara io.  Ireo rehetra ireo, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity dia efa ahitana taratra sahady  ny fahaizan’ny mpianatra, antoka hahazoan’izay tena mahay marin-toerana. Ny fanomanana ny fanadinana fifaninannaa ho mpitsara,  polisy, zandary  ary mpiraki-draharaha no mandeha ao amin’ity sekoly ity amin’izao izay samy hiditra ny 15 Septambra ho avy izao avokoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT