Omaly no nivaly ity fanadinam-panjakana voalohany ity ho an’ny teto Antananarivo renivohitra. Raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CISCO dia nitombo ny isan’ireo ankizy afaka teto an-drenivohitra satria nahatratra 2 125 teo ho eo ny ankizy afaka izay manome ny salan’isa 89,47% raha 88,77% tamin’ny taon-dasa.
Nisandrahaka tamina foibem-panadinana miisa 25 izy ireo. Nahatratra 268 kosa ny isan'ireo olona rehetra nampiasaina nanao ny fitsarana. Azo lazaina fa tsara ihany io vokatra io. Nivaly niaraka moa ny CEPE sy ny 6ème ka izay no somary nahataraiky ny fivoahan’ny vokatra. Nomarihan’izy ireo fa ny taranja kajy sy ny SVT no tena ratsy tamin’ny naotin’ny ankizy amin’ny ankapobeny. Ho an’ny faritra hafa kosa dia efa saika nivaly sabotsy teo avokoa ny an’Atsimondrano sy Avaradrano. Tsy dia mifanalavitra amin’ny isan’ireo afaka teto Antananarivo ihany koa ny teny an-toerana. Manoloana izany dia betsaka ireo ankizy no tsy nanafina ny hafaliany ka nibitaka vao nilazan’ireo ray aman-dreniny fa afaka soa aman-tsara, tahaka an’i Miadana izay niaraka tamin’ny rainy nijery ny valim-panadinana hita fa tena faly. Dia arahabaina izany ireo kilonga kely afaka ity fanadinam-panjakana voalohany ity ary mankahery ireo izay nanao ny tsy ambinina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.