Actualités

Fanadinana CEPE Nilamina tamin’ny ankapobeny


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Tontosa omaly ny fanadinana ara-panjakana voalohany teto Madagasikara tamin’ity taona ity , dia ny CEPE izany . Amin’ny ankapobeny dia nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinana tamin’ny anakpobeny . Ny indro kelin’ny mpandrafitra anefa dia tsy maintsy misy foana tahaka ny fahita isan-taona....

Ho an’ny foibem-panadinana Antanimbarinandriana  manokana ohatra dia nahitana mpiadina 2.011 teo ho eo, ka ny 29 tamin’ireo dia tsy tonga niatrika ny fanadinana. Ny fanazavana azo dia tao ny nolazoin’ny aretina tampoka, teo ihany koa ny antony tsy miankina amin’ireo mpiadina mivantana. Anisan’ny olana ihany koa raha ny nambaran’Atoa Razanaparany  Hornie lehiben’ity foibem-panadinana ity  ny fidiran’ireo ray aman-dreny hatrany an-dakilasy izay somary manimba ny fifantohan’ny mpianatra. Ireo mpianatra kosa raha nanontaniana dia ny taranja kajy sy ny alaolana no tena sarotra tamin’izy ireo. Nisy ihany anefa  ireo ankizy tsy nisalasala nilaza fa tsy nanana fahasarotana tamin’ny taranja rehetra toa an’i Hiriantsoa sy Miora izay hita fa manana fanantenana ny  ho  afaka. Ny olana eo amin’ireo mpampianatra FRAM sy ny Minisitera kosa tsy mbola mivaha satria ny tambin-karama tamin’ny taon-dasa  tsy mbola voaloa. Etsy an-kilany,  ny minisitry ny fanabeazana  fototra dia nilaza mazava fa nisy ny vola voahodina teo anivon’ny minisitera,  manodidina 1 lavitrisa ariary. Dia mbola tantara mitohy hafa indray izany aloha ny an’ny mpampianatra FRAM sy ny Minisitera.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT