Nihena ny isan’ny mpiadina fanadinana Cepe ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania tamin’ity taona 2014 ity. Mitotaly 16.634 mianadahy ireo mpiadina no hiatrika izany amin’ny talata 15
jolay 2014 ho avy izao manerana ireo Cisco efatra, raha nahatratra 18.518 tamin’ny taon-dasa ka afa-panadinana ny 13.703 izay nanome ny salan’isam-pahafahana 74%. Antony maro samihafa no mahatonga izany fihenana izany satria mbola maro ireo ray aman-dreny no tsy mbola mavitrika mandefa ny zanany an-tsekoly. Ny Cisco Ambositra no be mpiadina indrindra amin’ity, mahatratra 6320. Ny Cisco Fandriana misy mpiadina 5616 no laharana faharoa. Misy mpiadina 2790 kosa ny ao amin’ny Cisco Ambatofianandrahana, ary vitsy mpiadina Cepe tamin’ity taona ity ny ao amin’ny Cisco Manandriana izay mitotaly 1908. Efa mikarakara ny fizarana ny laza adina amin’izao fotoana izao ireo tompon’andraikitra isan-tokony ao Amoron’i Mania.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.