Efa namoaka ny valim-panadinana avy ireo ivon-toerana nanaovana fanadinam-panjakana CEPE ho an’ireo faritra manodidina an’Antananarivo
, ny zoma lasa teo. Nahatratra 75% ireo ankizy afaka tamin’izany, ho an’ny Cisco Avaradrano manokana ohatra. Saika nitovitovy tamin’io valiny io ihany koa ny an’ny Cisco Atsimondrano. Omaly alahady 26 jolay kosa no nivoaka ny valim-panadinana, ho an’Antananarivo-Renivohitra izay tsy nifanalavitra tamin’ny an’ny rehetra fa nahatratra 75% ka hatramin’ny 80% ny taham-pahafahana . Voalaza moa fa noho ny hamaroan’ny mpianatra nanala fanadinana no anton’ity fahatarana kely ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.