Nisy fihenany ny isan’ireo mpiadina bakalorea sokajy C ao anatin’ny Cisco Ambatondrazaka. Amin’ireo mpiadina 3 554 dia 65 ihany no ao amin’ny sokajy C
Mahalasa eritreritra ihany, hoy ny mpampianatra siantifika iray ny mandinika io tarehimarika io. Ambatondrazaka izay heverina fa tokony hamolavola tanora betsaka ho tonga teknisianina momba ny fambolena no indrisy vitsy mpisafidy taranja siantifika. Tsy kivy anefa ireo mpanabe na dia eo aza izany fa mieritreritra izy ireo amin’ny taom-pianarana vaovao ny hanao hetsika iray handresen-dahatra ny tanora hisafidy ny taranja siantifika. Toy ny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy dia mizotra araka izay hiheverana azy omaly ny bakalorea manerana ireo foibem-panadinana 14 ao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Na teo aza ny olana madinidinika dia voavaha ny tompon’andraikitra tamin’ny ora farany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.