Manoloana ny feo maro mandeha fa hoe mety tsy ho raikitra ny fanadinana bakalorea amin’ity taona 2015 ity dia manana ny heviny ireo ray aman-dreny sendra ny Tia Tanindrazana.
Rtoa Ny Aina (Itaosy) :
“Ilay izy izany tena nampitaintaina anay ray aman-dreny. Mba manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra izay toa matoky tena loatra amin’izay mety ho fihetsik’ireo mpampianatra eny amin’ny Oniversite mitaky ny zony izahay ary matoky ny fahendren’ireto farany koa mba tsy hanao sorona ny zanatsika fa ny fotoanan’ny fanadinana efa akaiky ka atsipy ny tady an-tandroky ny omby, atsipy ny teny am-pon’ny mahalala”.
SARY : Mme Ny Aina eny Itaosy
Rtoa Yolande (Ambatolampy Ambohibao)
“Raha hoe izay no fepetra raisin’ireo tompon’andraikitra dia tsy hanaiky velively izahay ray aman-dreny satria ireo zanakay ireo dia nandany fotoana nianatra nandavan-taona sy nandany ron-doha tanteraka mihitsy ary izahay ray aman-dreny kosa nandany vola. Tena vonona ny hitarika ny rehetra hitondra sorabaventy ho eny amin’ny ministera mpiahy na ho eny amin’ny Oniversite misy an’ireo mpampianatra ny tena raha ilaina izany fa mialohan’izany dia mbola mitodika amin’ny mpitondra fanjakana ihany mba hijery ny zava-misy fa tsy tokony havela amin’izao ireo ankizy”.
SARY : Rtoa Yolande avy eny Ambatolampy
Atoa Ralambo Jocelyn :
“Tsy dia mirona amin’izay mety tsy ho fisian’ny bakalorea izany raha ny zanako satria tsy avelako hanara-baovao amin’ny televiziona eto an-toerana tsy ho variana amin’izany resaka politika izany. Miantso ny fanjakana ary izahay mba hijery ny olan’ireto zatovo hanala baka ireto fa ireo no hitondra an’i Madagasikara rahatrizay ary hoavin’ity firenena ity fa tsy sanatria olona dondrona akory no havela hitantana ny firenena. Manaitra an’ireo mpampianatra koa izahay mba tsy hanao sorona ny mpianatra fa tsy hoentinareo any am-pasana akory ny fahaizanareo fa hampitao amin’ny ankizy fa isika Malagasy dia manana izay fahendrena sy ny soatoavina mampiavaka antsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.