Actualités

Fanadinana BAC ho foana Tsy raharahan’ny fanjakana


  • Alakamisy 16 Jolay 2015

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka momba ny fampiharana ireo didim-panjakana efa nekena tamin’ny 2009

 

.Tsy fotoan’ny fitakiana sendikaly izao hoy ny filoham-pirenena, tsy hiasa izahay raha tsy tanteraka ny fampiharana ny zonay hoy ireo mpampianatra, vokatr’izany dia tandidomin-doza ny fisiana sy ny fahavitana an-tsakany sy an-davany ny fanadinana bakalorea 2015 satria manana andraikitra goavana ao anatin’izany ny mpampianatra eny amin’ny oniversite.Toa tsy rototra amin’ity olana ity anefa ny fitondram-panjakana.

 

Tsy voavaha ny olana

Ny lehiben’ny ofisin’ny baka Rakotoarison Olivier no hany mba tompon’andraikitra nanome antoka fa tsy maintsy hisy ny Bac satria tsy maintsy hisy ihany ny marimaritra iraisana eo amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga sy ny Seces hahafahana mamaha ny olana, hoy izy. Notsindriany rahateo fa mbola ny 17 Aogositra ho avy izao vao hotanterahina ny fanadinana bakalôrea izany hoe : mbola manana iray volana ny tompon’andraikitra hamahana ny olana. Nohamafisiny araka izany fa tsy maintsy ahitana vahaolana ny fitokonan’ny SECES ka tokony hiandry am-pitoniana ny mety ho vokatr’izany ny mpianatra rehetra. Iray volana sy tapany izao tsy voavaha ny olan’ny fananan-tany, efa ho iray volana koa no mitokona ny Air Madagascar, ka izay ary no hanome toky fa ho voavaha ara-potoana tokoa ny fitakian’ny SECES ka afaka irosoana ny fanadinana bakalorea ?

 

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT