Fanadihadiana mikasika ny volam-panjakana

Hangotraka ny fitsirihana anatin’ny 90 andro…


  • Alarobia 05 Novambra 2025

Ny fanadihadiana ara-bola kasaina

hatao ao anatin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no ivon’ny dinika nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoha lefitry ny Fitsarana momba ny kaonty, Jean de Dieu Rakotondramihamina, sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Hisy ny fanadihadiana kasaina haharitra 90 andro, mikendry ny hanome topy maso feno momba ny toe-draharaha misy, hamantarana ny tsy fetezana sy ny lesoka amin’ny fitantanana ny vola-panjakana, ary hanolotra drafitra fanatsarana mifanaraka amin’ny toromarika avy amin’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Nanolo-tena ho voalohany hanaovana fanadihadiana ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, maneho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana mangarahara sy amin’ny fanomezana valin-teny amin’ny hetahetan’ny vahoaka. Manamafy ihany koa ny Fiadidian’ny IGE (Inspection Générale de l'Etat) fa vonona tanteraka hanohana ny Fanaraha-maso ankapoben’ny Fanjakana amin’ity andraikitra lehibe ity, izay dingana manan-danja amin’ny fanavaozana ny rafitra ara-panjakana sy amin’ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara. Ankoatra izay, namoaka tatitra momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimo (2020–2022) ny Fitsarana momba ny kaonty. Ao anatin’izany no nanamarihany fa 4,18 % monja amin’ny tetibola nasionaly no natokana ho an’ny sehatry ny fambolena, lavitra dia lavitra ny fetr’isa 10 % soso-kevitry ny Vondrona Afrikana. Ny tsy fisian’ny rafitra ara-dalàna nasionaly sy ny fahabangana ara-pitantanana sy ara-bola no isan’ny lesoka sy sakana amin’ny fandrosoana. Manoro hevitra ny ity tendrom-pitsarana ity ny hamoronana politika nasionaly voarindra, rafitra fanaraha-maso, ary fampitomboana ny fampiasam-bola avy amin’ny fanjakana mba hahazoana fitantanana mangarahara sy mahomby kokoa amin’ny loharanon-karena. Zava-dehibe ary ain’ny fitantanana ny Firenena ny fitantanana ny volam-panjakana, ny fampiasana azy araka ny tokony ho izy, ny fangaraharana,… Antony iray mahatonga ny olom-pirenena kamo handoa hetra ny fitantanana tsy mangarahara, tsy fahatsapana tamberin’andraikitra, ny kolikoly,… ka fotoana izao hitondrana fanovana sy fanadiovana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT