Fanadalana zaza tsy ampy taona, fihetsika mamoafady

Voaheloka 5 taona an-tranomaizina Rakotobe


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Ny herinandro voalohan’ny volana mey no vaky am-batolampy, niparitaka ny horonan-tsary maneho ny fehetsika

mamoafadin’Atoa Rakotobe José tamin’ny zaza tsy ampy taona. Nohelohin'ny fitsarana higadra 5 taona an- tranomaizina Rakotobe ny tenany taorian’ny efa nitazonana azy am-ponja vonjimaika efa iray volana mahery izay. Ny "Ministère public" no nitory azy noho ny ampamoaka nataon'ireo zaza nijoro vavolombelona tany amina Fikambanana mpiahy ny zaza, ary tsy zaza iray,... Hita tsara ao anatin’ny horonantsary izy manao fihetsika mamoafady amina zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny safosafo samihafa. Voalaza tam Misy tambazana vola, ary misy terena mivantana hanoroka sy hanafosafo azy, ankoatra ireo mety zava-nitranga tsy voarakitra tao anatin’ny horonantsary. Toetra amam-pihetsika mamoafady izay tombanana ho efa fanao matetika, ary amin’olona samihafa. Taorian’ny fanavaozana ny andininy mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fanolanana no nipoitra ity raharaha Dadatoa Rakotobe ity. Ny andininy faha-332 sy 333 amin’ny fehezan-dalàna famaizana no mamaritra ny sazy izay nohamafisina, ka tsy afa-bela na vao fikasana hanolana aza. Arakaraka ny sokajin-taona ihany koa moa ny famerana sy famaritana ny sazy, fa ny an-dRakotobe moa izany 5 taona no hohefainy. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana, fa lehilahy manodidina ny 50 taona Rakotobe José, Dadatoa Rakotobe no hahalalan’ny mpanara-baovao azy, voalaza fa mpikatroka na mpiara-miasaika tao anatin’ny fikambanana tarihin’ny kandida depioten’ny IRMAR tamin’ny Boriborintany iray eto Antananarivo, ary mpiantso amin’ny haino aman-jery mpanaratsy sy mpanenjika ireo mpanakiana ny fitondrana, raha ny fanamarihan’ny mpanara-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT