Actualités

Fanabeazana sy ny teknolojia Mpianatra miisa 9.800 notoloran’ny orinasa Orange tablette


  • Zoma 03 Jolay 2015

Mba ho tombontsoan’ny mpianatra rehetra, indrindra manoloana ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny dia mpianatra miisa 9.800 indray no hahazo tombontsoa amin’ny fampiasana tablette,

 

 manomboka amin’ny taom-pianarana 2015-2016 ho avy io. Sekoly ambaratonga faharoa avokoa ny 26 amin’izy ireo raha sekoly ambaratonga fototra ny roa ambiny. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny orinasa orange Madagascar amin’ny alalan’ny orange solidarité no angady nananana sy vy nahitana izany. Hisy ny fizarana tablette ho an’ireo sekoly ireo izay hijanona ho fananan’izy ireo, arahina  fampianarana ny mpianatra manao ny programmation ao anatiny no sady hanaovany  fampiharana ireo lesona hampidirina anaty tablette ihany koa. Tsiahivina moa fa efa nanomboka ny taom-pianarana 2014-2015 ity tetikasa ity. Sekoly miisa 30 teny am-piandohana no nahazo tombontsoa tamin’izany ka nisasaka ny isan’ny CEG sy ny EPP. Andrasana amin’ny voka-panadinana amin’ity taona ity moa ny vokatra azo tamin’ny fampiasana ireo tablette ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT