Miditra amin’ny sehatry ny teknôlôjia vaovao ny fanabeazana eto Madagasikara. EPP sy CEG miisa 30 avy amin’ny Faritra 22 no hampiasa ny fanabeazana nomerika manomboka amin’ny taom-pianarana manaraka. Tontosa omaly tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny fanabeazana sy ny Orange Solidarité izay tompon’ilay tetikasa. Firenena filamatra amin’ny fampiharana azy aty Afrika i Madagasikara sahala amin’i Cameroun, Niger, Tonizia ary Sénégal. Manamora kokoa ny fandraisan’ny mpianatra ny lesona ireo fitaovana nomerika ampiasaina satria ampitaina amin’ny alalan’ny lalao izany. Anjaran’ny Minisiteran’ny fanabeazana moa ny mifampiraharaha mba tsy hakana haba ny fidiran’ireo fitaovana eto amintsika. Mbola izy koa no manome ny lesona hampitaina amin’ny alalan’ity fandaharam-pianarana nomerika ity izay tokony hisy fifandraisany amin’ny fandaharam-pianarana ofisialy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.