Tsy nitsaha-nitotongana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara, araka ny vokatry ny fanadihadiana in-telo miantoana notanterahan’ny Banky iraisam-pirenena teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny 2012
. Voakasika manokana ny fijotson’ireo taranja telo dia ny frantsay, matematika ary malagasy. Nahitana fivoarana kosa anefa ny taranja matematika teo anelanelan’ny 2004 hatramin’ny 2009 izay nahazoana isa mendrika tao anatin’ireo firenena 41 mpikambana ao amin’ny Confemen. Nikaroka ireo antony nahatonga io fihemoran’ny rafi-panabeazana Malagasy io ity mpamatsy vola iraisam-pirenena ity. Iray amin’izany ny fahamaroan’ny isan’ireo mpampianatra Fram izay mandrafitra ny 2/3-n’ireo mpampianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ankehitriny. Raha 31.512 izy ireo tamin’ny taona 2006 dia tafakatra 57.452 tamin’ny taom-pianarana 2011-2012. Tsikaritra anefa fa tsy manana ny fahaiza-manao takiana ireo sokajina mpampianatra ireo. Maherin’ny 90%-n’ireo mpampianatra Fram ireo, ohatra, no tsy manana diplaoma pedagojika. Misy andraikitry ny fanjakana ihany koa anefa io faharatsian’ny rafi-panabeazana malagasy io. Vahaolana aroson’ny Banky iraisam-pirenena ny fandraisana mpampianatra vaovao ho fanoloana ireo zokiolona hisotro ronono na mifanaraka amin’ny filàna toy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao. Andraikitry ny fanjakana koa ny fandrafetana fandaharam-pianarana iombonana sy ny fizarana ireo kojakojam-pianarana ho an’ny mpianatra sy mpampianatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.