Actualités

Fanabeazana ho an’ny rehetra Nanjavona niaraka tamin’ny fanonganam-panjakana


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Nanavao ny lamim-pampianarana ny governemanta malagasy notarihan’ny filoha Ravalomanana Marc tamin’ny taona 2003. Napetraka tamin’izany ny drafitrasam-pirenena momba ny Fanabeazana ho an’ny rehetra tena izy.

Nahitam-bokatra tokoa izany na dia tsy mbola nahafapo tanteraka aza satria nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny mpianatra tao amin’ny fanabeazana fototra dingana voalohany nandritra ny taom-pianarana 2005-2006 izay nahatratra 3.700.000 raha 1.700.000 izy ireo tamin’ny taom-pianarana 1997-1998. Ny mifanohitra amin’izay tanteraka anefa  no nitranga teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009. Manamarina izany ny antontanisa nivoaka tamin’ny taona 2011 sy 2012 izay manambara mazava fa kilonga madinika manodidina ny 680.000 no nitsoaka an-daharana ireo sekoly izay nianarany. Vinavinan’ny fanjakana ankehitriny moa ny hamerina indray ireo mpianatra 5 hetsy nandao ireo dabilion-tsekoly ho amin’ity taom-pianarana ho avy 2014-2015 ity miaraka amin’ny fanorenana trano fianarana miisa arivo mahery. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa zon’ny tsirairay ary adidin’ny fitondram-panjakana ny fanabeazana izay fototry ny fampandrosoana hiadiana amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Nankalazaina omaly 7 aogositra moa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Fanabeazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT