Toy ireo sehatra maro dia nandalo fotoan-tsarotra ihany koa ny foibe ara-kolontsaina frantsay nandritra ny 5 taona nisian’ny krizy.
Ohatra iray goavana amin’izany ny fihenan’ny isan’ireo olon-dehibe nanaraka fampianarana teto Antananarivo, araka ny fanazavan’ny tale lefitra Rindra Duprès. Voatazona kosa ny fisoratana anarana ho an’ireo ankizy nanovo fianarana ity fiteny vahiny ity eran’i Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia mitombo ny isan’ireo olona te-hianatra ny fiteny frantsay raha tanjon’ny Alliance française kosa ny hampihena ireo Malagasy mandranto fianarana fiteny frantsay amin’ireo masoivohony 29 manerana ny Nosy. Tranga iray mampalahelo ilaina vahana haingana, ohatra, ny tsy fifehezan’ireo mpanabe eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra amin’ny ankapobeny ity fiteny vahiny ity. Raha ny tokony ho izy mantsy dia toromarika fanamafisan’orina sisa no haroso azy ireo eny amin’ireo foibe fandrantovana ny fiteny frantsay. Manantena moa ity tompon’andraikitra ao amin’ny Aft Andavamamba ity fa arahina asa avy hatrany ny fahavitrihan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny fihaonamben’ny Alliance française notanterahana farany teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.