Actualités

Fanabeazana aizana ho an’ny tanora Hiara-kiasa ny Marie Stops Madagascar sy ny fanjakana


  • Alakamisy 18 Jona 2015

ary ny Marie Stopes Madagascar ho fanentanana sy fanampiana ireo tanora mba tsy hiroso amin’ny fanambadiana aloha loatra. Ampiana sy entanina koa izy ireo mba hahay hisoroka ny vohoka aloha loatra izay tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’ny toe-batan’izy

 

  ireo mbola marefo dia marefo. Mety haningotra ny ainy mihitsy aza izany fitondrana vohoka aloha loatra izany ka tafiditra ao anatin’io fifanaovan-tsonia io ny fampiasan’ny tanora ny fanabezana aizana raha tsy mahatandrina ny firaisana ara-nofo. Fantatra tetsy Mahamasina omaly, fa efa tafakatra 10% ankehitriny ny tahan’ny fanambadiana aloha loatra eto amintsika ka raha tsy misy ny fanentanana atao amin’ny tanora dia hahatratra 770.000 ireo tanora latsaky ny 18 taona hiroso amin’io fanambadiana aloha loatra izany afaka 10 taona. Eo amin’ny 75% maherin’ny tanora Malagasy eo ho eo izany. Fantatra tamin’izany ihany koa fa ny 1/3-n’ireo reny maty teo am-piterahana dia saika tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 27 taona avokoa. Eny amin’ny tobim-pahasalamana Marie Stopes Madagascar ankehitriny, araka ny fantatra, dia 1/10 n’ny tanora malagasy latsaky ny 20 taona ihany no mba tonga mikarakara vatana eny. Mbola mila entanina mafy ny tanorantsika, araka izany, eo amin’ity sehatra ity ary tokony hialana ny fahamenarana isan-tsokajiny.

Ntsoavina Evariste

SARY : Fifanaovan-tsonia teny Mahamasina omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT