Taorian` ny fanambarana nataon` ny filoham-pirenena ny 09 aogositra lasa teo mahakasika ireo teratany Malagasy mihitsoka any ivelany noho ny krizy ara-pahasalamana dia hisy ireo sidina manokana hitatitra azy ireo amin` ity volana aogositra ity.
Ny kaompania Air Madagascar no hisahana ny fitaterana ary hisy fiaraha-miasa akaiky amin` ny minisiteran`ny raharaham-bahiny. Marihana fa ny sidina voalohany dia amin` ny sabotsy 15 aogositra izao ka hiainga avy any Paris, hihazo ho any i Marseille ary izay vao hizotra ho aty Antananarivo. Efa andalam-pikarakarana sidina manokana hafa avy amina firenen-kafa ireo tomponandraikitra ary mbola hisy ny fampitam-baovao ofisialy mahakasika izany. Ireo olona voakasika amin` izany dia hiangaviana hanantona ireo masoivohon` i Madagasikara any ivelany na koa kaosily hisoratra momba ny fampodiana azy an-tanindrazana. Marihana hatrany fa ireo rafitra voalaza ireo ihany no miantoka ny fisoratana anarana ka tsy voakasika amin` izany ireo ivotoerana Air Madagascar. Ny minisitera irery ihany koa no mananapaka izay mody voalohany. Ho fantatra tsy ho ela eny anivon` ireo rafitra sy sampandraharaha miara miasa amin` ny minisitera ny lisitr` ireo olona hampodiana voalohany. Araka izany, ireo voarakitra ao anatin` izany lisitra izany ihany no antsoin` ny kaompania Air Madagascar mahakasika ny diany. Miankina ny sidina ny saram-pitaterana Raha tsiahivina, dia ny saram-pitaterana dia hiantohan` ireo mpandeha fa ireo fitiliana ara-pahasalamana no hiantohan` ny fanjakana Malagasy. Namafisin` ny kaompania hatrany fa sidina manokana fampodiana an-tanindrazana no ho tanterahina fa tsy ara-barotra. Miankina ny sidina atao, araka izany, ny vidin` ireo tapakila. Ho tokana kosa izany vidiny izany raha sidina mitovy. Efa afaka manantona ireo masoivohon` i Madagasikara sy ireo kaonsily momba ny vidin` ny tapakila ireo izay liana amin` izany ary azo jifaina eny amin` ireo ivotoerana Air Madagascar eny “Avenue de l` indépendance”sy “La City” fa kosa aorian` ny fankatoavin` ny minisitera ny anaran` ny mpandeha hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.