Actualités

Fampodiana Malagasy 230 no tonga teny Ivato omaly


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Omaly dia Malagasy avy any Eoropa sy Afrika miisa 230 no nigadona teny amin`ny seranam-paiaramanidina Ivato. Marihana hatrany fa ny minisiteran` ny raharaham-bahiny no manapaka ireo Malagasy hampodiana.

 

 

 

 Raha ny fantatra dia ireo marefo, ireo lany visa no misantatra ny fampodiana amin` izao. Tsy maintsy avy hatrany kosa dia nandalo toeram-pitsirihana miisa telo izy ireo ka isan` izany ny fanaovana fitiliana PCR. Natoka-monina mandritra ny 04 andro iandrasana ny valin` ny fitiliana izy ireo. Raha ho an` ireo Malagasy nihitsoka tany Afrika nialohan` ny nialana tany Addis Abeba dia tsy maintsy natao fitiliana izy ireo ary ihany koa tsy mitondra ny tsimok` aretina, hoy ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja, mpandrindra ankapobeny ny CCO-Covid 19. Mikasa hanatanteraka sidina manokana isan-kerinandro ny fanjakana malagasy amin` ny fampodiana an` ireo teratany Malagasy mihitsoka any ivelany, hoy Liva Djacoba Tehindrazanarivelo. Mbola Malagasy 300 hafa no ho tonga eny Ivato omaly, ary raha ny tetiandro manaraka dia 20 aogositra ny fampodiana ireo Malagasy any Inde. Ny 27 aogositra kosa dia anjaran` ireo avy any Chine sy Thailande

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT