Actualités

Fampodiana ireo Malagasy taraiky any Frantsa Nanome sosokevitra ny Masoivoho Malagasy


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Nanome sosokevitra ny amin’ny tokony hividianan’ireo Malagasy taraiky any Frantsa maniry hody an-tanindrazana tapakilam-piaramanidina vaovao ny ambasadaoro Malagasy miasa sy monina any an-toerana, Rija Rajhonson. Azo atao, hoy ny fanazavana,

 

 

 ny mitaky ny famerenana ny vidin’ireo tapakila teo aloha na inona na inona kaompania nanaovana ny famandrihana. Nanamarika anefa ity masoivoho ity fa tsy mahalala ny mombamomba ireo dingana tokony harahana hitakiana izany saingy mampahalala vaovao ihany kosa. Anjaran’ny rehetra no manatona ireo kaompania nanaovany famandrihana tapakila hitakiany izay famerenam-bola izay. Nampahafantatra moa ity masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa ity fa efa voarindra araka ny fahatongavany hatramin’ny martsa 2020 ny fisoratan’ireo Malagasy maniry hamonjy izay fodiany izay. Nalefa niandalana niazo an’Antananarivo ireny lisitra ireny mba hahafahan’ny tompon’andraikitra Malagasy manasokajy ihany koa ny toerana tokony hametrahana ireo mpandeha tody eto an-tanindrazana. Amin’ny alalan’ny mailaka no handraisan’ireo mpandeha amin’ny sidina voalohany ny fotoana tokony hiaingany, raha ny fanazavana hatrany.

 

 J. Mirija     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT