Fiaramanidina miisa roa be izao no haka ireo teratany Frantsay sy Eoropeana eto Madagasikara ato ao anatin’ny roa andro.
Ny sidina voalohany dia avy atsy La Réunion hiala rahampitso 23 aprily eny Ivato, ary hihazo an’i Paris izay fiaramanidin’ny Air France. Ny faharoa dia an’ny Air Austral izay ho atsy Saint-Dénis La Réunion ho an’ny zoma 14 aprily. Efa nahazo alalana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy ireo, izay haka ireo teratany Frantsay sy Eoropeanina tavela eto. Tsy misokatra ho an’ireo mpanao famandrihana ho an’ny zotra mahazatra na “vol commercial” ireo, fa natokana hakana fotsiny ireo Frantsay sy Eoropeanina tavela eto. Mbola manahy ny filaminan’ny olony eto izany ny Frantsay. Na misy aza ny fahitan’ny mpitondra Malagasy ny ambara fa fanefitra sy fitsaboana ny coronavirus, dia aleony mampody ny olony, kanefa ny fireneny aza mbola hatrany amin’ny 500 isan’andro no maty. Mampanahy ihany ny zava-misy izay mampametra-panontaniana hoe: ho avy tokoa ve ny fahavoazana amin’izay aty Afrika sanatria? Tombanan’ny firenena Mikambana sy ny OMS hamono olona hatrany amin’ny 300 000 aty Afrika mantsy ny coronavirus.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.