Fampivarotan-tena malagasy ao Mayotte

Olona miisa 3 no miandry fotoam-pitsarana


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Olona miisa 3 no miandry fotoam-pitsaràna any Mayotte rehefa napetraky

ny fampanoavana eo ambany fanaraha-masony nanomboka ny 5 janoary teo, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena ao an-toerana ny sabotsy teo. Voalaza fa mampivaro-tena vehivavy malagasy izy ireo. Tamin'ny taon-dasa moa dia nisy fanadihadiana nataon'ny “Direction territoriale de la police nationale” na DTPN, izany hoe sampan-draharaha manokan’ny polisim-pirenena tao amina trano kely iray fivarotan-tena tany Mayotte. Fantatra tamin'izay fa efa tambazotra mihitsy no mampiodina io asa io. Vehivavy malagasy notaterina sy niditra an-tsokosoko, nanomboka ny taona 2020, no miasa an-kiafina ao amin'io trano io. Misimisy ihany ny vola azon'izy ireo, raha ny fanazavana. Ny 2 amin'ireo 3 voarohirohy dia tany La Réunion no tratra ny 2 janoary teo. Fanampiana amin'ny fidiran'ireo vehivavy malagasy sy fipetrahan'izy ireo tsy ara-dalàna ao Mayotte ary fampivarotan-tena azy ireo no fandikan-dalàna nataon'ireo olona miisa 3 miandry fitsaràna, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

Hijery ny tohiny
FTT