Vehivavy telo no nosamborin’ny ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SCESLFD teny Ambatomaro ny 14 oktobra 2020 lasa teo. Mampivaro-tena olona amin’ny alalan’ny internet mantsy izy ireo ka any amin’ny faritra no maka tovovavy mba hanao izany. Teny Ambatomaro no toerana niasan’izy ireo ka tonga nanara-maso izany ny polisy . Tra-tehaka nandritra izany tokoa ny vehivavy miisa telo, 45, 25 ary 24 taona izay tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy sy ny vehivavy miisa valo izay nampiasainy. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nalaina avy any Ambalavao, Ambositra ary Tsiroanomadidy ireo tovovavy niisa 8 ireo. Hampivarotana tena amin'ny alalan'ny internet no nakana sy nitondrana azy ireo teto Antananarivo. Teratany vahiny kosa no mpanjifa, ka rehefa avy mandoa vola izy ireo dia afaka mampanao izay sitrapony sy izay fahafinaretany ara-nofo amin’ireo vehivavy ireo, amin’ny alalan’ny fanaovana fihetsika mamoafady sy mivoana amin’ny hasin'ny maha-olombelona. Ankoatra ny teny Ambatomaro dia nampiasaina teny Andranomena ihany koa ireo vehivavy ireo. Fantatra moa fa 18 ka hatramin’ny 24 taona izy ireo, ary tamim-pitaka no nitondrana azy ireo avy any amin’ny toerana nihaviany. Noterena hanao io asa ratsy io izy 08 vavy araka ny nambaran’izy ireo. Tonga teto Antananarivo mantsy izy ireo vao nolazaina izay tena asa hataony. Na dia tsy nanaiky ny hanao izany aza izy ireo dia voatery satria sady tsy nanana saran-dalana niverenana nody, no sady nolazaina ihany koa fa tsy maintsy mandoa lelavola 50 000 ar isam-bolana alaina amin'ny karamany mandritra ny enim-bolana. Ity vola ity izay voalaza fa vidin'ny nanokafana ny kaontiny hanaovana ilay asa mamoafady. Ankoatra izany dia niharan’ny fampijaliana hataon’izy telovavy mpampiasa azy ihany koa izy ireo. Nogiazan’izy telovavy tsy hivoaka ilay trano niasany ohatra izy ireo, ary tsy afaka miala sasatra afa-tsy ora enina isan’andro. Tsy maintsy miasa mafy ihany koa eo anelanelan’ny amin’ ny 11ora alina ka hatramin'ny 03 ora maraina. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy telo mirahavavy ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.