Toy ny firenena maro maneran-tany, indrindra ny firenena Frantsay sy ireo firenena Afrikana maro nozanahany dia mahatsiaro ny fampitsaharana ny Ady Lehibe Voalohany ny faha 11 novambra 1918 i Madagasikara.
Nomarihina tamin'ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo teny amin'ny tsangambaton'ny Farihin'Anosy ny lanonam-pahatsiarovana. Nitarika ny fotoana sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Masoivohon'i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Christophe Bouchard. Mifandrohy ny tantaran'ny firenena roa tonta ka rariny raha mahatsiaro ny soa nataon'ireo miaramila Malagasy nirotsaka an'ady niaro ny fahafahana ny firenena Frantsay, hoy ny Masoivoho Frantsay. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena kosa dia nampahatsiahy ny herim-po sy ny fahasahiana nananan'ireo mpianady Malagasy nahafoy tena ka niondrana an-tsambo hanavotra ny firenena Frantsay izay efa trotraky ny ady tamin'ny taona 1915. Nanambara ihany koa izy fa mendrika halain-tahaka ny toetran'ireto miaramila Malagasy niady niaraka tamin'ny tafika Frantsay ireto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.