Actualités

Fampitsaharana ireo ady Isan’ny firenena nanasonia i Madagasikara


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Nankalazaina ny sabotsy teo teto Madagasikara ny fanorenana ny fandriampahalemana maneran-tany sy fampitsaharana ireo ady misy eto ambonin’ny tany na “Loi DPCW”.

Isan’ny nandray anjara tamin’ny fivoriambe faha 7 momba izany tetsy amin’ny IHS Ankatso isika eto Madagasikara. Ankalazaina isan-taona, isaky ny 14 martsa izy io, hoy ny fanazavan’I Holisoa Andriamanisa, tomponandraikitra eo anivon’ny sampana iraisampirenena momba ny fandriampahalemana na HWPL, saingy noho ny antony manokana dia ny sabotsy teo no nanamarihantsika izany. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny tsy fandriampahalemana misy eto no isany nodinihina ny mikasika ny vahaolana azon’ny olompirenena entina hampihenana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Nisy moa, ankoatran’izay, ny fanasoniavana taratasy misokatra miantefa any amin’ny filoham-pirenena Rosianina, Vladmir Poutine, ho fampitsaharana ny adin’ny firenena Russe amin’ny firenen’I Okrainina izay nataon’ireo mpandray anjara teny an-toerana izay resy lahatra fa tokony atsahatra izany ady izany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny HWPL
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT