Actualités

Fampitomboana traikefa Ben’ny tanàna vehivavy miisa 37 no miatrika fiofanana


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Miisa 37 indray ireo Ben’ny tanàna vehivavy avy amin’ny Faritra 14 isa eto amintsika ahitana ny Faritra Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Analamanga, Anosy, Atsimo Andrefana,

Atsimo Atsinanana, Boeny, Diana, Fitovinany, Haute Matsiatra, Itasy, Melaky, Menabe ary Vatovavy miatrika fiofanana entina hanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Andiany faharoa izy ity raha araka ny vaovao azo karakarain’ny ivon-toeram-pirenena misahana ny fampiofanana ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sy ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ifotony na ny INDDL. Nanomboka omaly ny fiofanana haharitra telo andro, tanterahina etsy amin’ny cenacle Amparibe. Mitovy tamin’ny andiany voalohany ihany ireo zavatra resahina mandritra ny fampiofanana toy ny filazana ny zavatra mamparary ireo Ben’ny tanàna amin’ny asany, ny olana amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny, ny fikirakirana ny volam-panjakana.. Tanjona amin’izany ny hahatsara tantanana ny kaominina. Tsy misy mantsy ny sekoly manokana ho an’ny Ben’ny tanana hoy ny filohan’ny fikambanan’ny vehivavy Ben’ny Tanana. Eo ihany koa ny mba hahafahana manentana ny vehivavy ho sahy handray andraikita hampandroso ny tanana misy azy . Tsiahivina moa fa miisa 94 ny isan’ireo Ben’ny tanàna vehivavy manerana ny Nosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT