Mahatsapa ny mpitantana ny federasiona Miroso fa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-pamokarana ihany no ahafahana mampiakatra ny tahan’ny voka-bary ao anatin’ny Saha na “Vallée” Marianina sy PC15
Averina amin’ireo tantsaha, hoy ny filohan’ny federasiona Randriamarosolo Solofo ny saram-pikojakojana izay naloany amin’ny alalan’ny fanatsarana ny lakandrano. Manodidina ny 68 %-n’ireo mamboly ao amin’ny Saha Marianina Pc 15 ankehitriny no efa nahavita ny adidiny nandoa ny saram-pikojakojana vary akotry 100kg ka hatramin’ny 150kg isaky ny hektara. Avy amin’izay no nahafahana nanomboka ny asa tamin’ity herinandro ity ka ny mpandraharaha Egeka no manatontosa ny asa dia ny fanajariana lakandrano mirefy 18km. Rehefa mitombo ny olona mandoa ny saram-pikojakojana dia manatombo ihany koa ny lakandrano amboarina, hoy ny teknisianina ao amin’ny federasiona Miroso. Manana velarana 3 800 ha ny tanimbary ao amin’ity Saha Marianina Pc 15 ity. Noho ny faharatsian’ny lakandrano dia tsy misy afa tsy 3,5 - 4,5 t isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Nambaran’ny filohan’ny federasiona Miroso fa raha samy mavitrika amin’ny fandoavana saram-pikojakojana ireo tantsaha 3 300 mivondrona ao anatin’ny federasiona dia ho tontosa 100% ny fanatsarana ny lakandrano ary hiakatra ambony ny tahan’ny voka-bary any Alaotra. Mandrora mitsilany, araka izany, ireo izay mieritreritra ny tsy handoa saram-pikojakojana satria tsy hisy fikitihana ny lakandrano ao aminy. Marihina fa volan’ny federasiona madiodio hatreto no hanatontosana ny asa fa tsy misy ny famatsiam-bola hafa. Na izany aza, efa mitady lalam-bola hafa hanamboarana ny barazin’i Bevava ny Federasiona Miroso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.