Fampitomboana fahasahiranana

Terena an-kolaka hanokatra mailaka ny mpanjifan’ny JIRAMA


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Alefa amin’ny alalan’ny mailaka ny fizarana ny faktioran’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na

JIRAMA manomboka amin’ity volana jona ity mba ho fanatsarana hatrany ny tolotra omen’ny orinasa ireo mpanjifa, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Marihina, hoy ny fanazavana, fa amin’izao fanombohana izao dia mbola ny ampahana mpanjifa ihany no hisitraka izany fomba fiasa vaovao izany ary ho ezahana ny hisitrahan’ny mpanjifa rehetra izany tsy ho ela. Miangavy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanjifa mba hameno ny faritra amin’ny faktiora voaray izay mahakasika ny adiresy mailaka sy ny laharana finday ny JIRAMA manoloana izany. Manana lanja mitovy tanteraka amin’ny faktiora izay zaraina io faktiora voaray amin’ny alalan’ny mailaka io, hoy hatrany ny voalaza.
FANATSARANA HOE E ?
Ambara hatrany fa fanatsarana tolotra sy fisitrahana moa ny fanovana tahaka itony saingy efa maro sahady ireo mpanjifa no naneho ny heviny ary mahita izany ho fampitomboana fahasahiranana indray satria dia terena an-kolaka hanokatra mailaka izany ny mpanjifan’ny JIRAMA manomboka izao. Iaraha-mahita anefa fa lafo dia lafo ny saran’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara na dia efa nisy aza ny fanambaran’ny minisitera tomponandraikitr’izany fa ho andraisana fepetra ireo orinasam-pifandraisan-davitra tsy mampidina ary mamerina amin’ny laoniny izay sarany izay. Iaraha-mahalala ihany koa satria ny tombana iraisampirenena efa natao mikasika ny fari-pahalalan’ny vahoaka malagasy fa hatreo amin’ny taona faha 3 any amin’ny ambaratonga ambany na T3. Ahoana no hahaizan’izany hikirakira mailaka sy tekinolojia na mbola atsy ho atsy aza? Aiza ho aiza amin’izany koa izany ilay antsoina hoe fanatsarana tolotra sa rehefa alefa mailaka ilay faktiora dia tsy misy mihitsy intsony ny delestazy sy fahatapahan-drano?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT