Actualités

Fampisehoana mivelatra amin’ny sehatry ny asa Hanampy ny vita fianarana


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Tranoheva miisa 80 no kasain’ny Kentia Holding entina hampirantiana ny tsara ho fantatra rehetra momba ny tontolon’ny asa sy ny fitadiavana asa.

 Ny 9 ka hatramin’ny 11 jolay izao no hatao etsy amin’ny tokotany malalaky ny lapan’ny tanàna etsy Analakely ity hetsika ity  ka ny  minisiteran’ny  Indostria  sy  ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina no mpiahy. Maro ny zavatra ho hita mandritra  ity fampirantiana  mivelatra ity,  anisan’izany ny fampiofanana sy ny  fifanakalozan-kevitra  ary ny  fihaonana eo anivon’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Hanana anjara tranoheva amin’ity hetsika ity avokoa  ny rantsamangaika amin’ny fampananan’asa rehetra  ka ho hita ao ny mpandraharaha, ny mpianatra  vita fianarana,  ny tompona orinasa, ny  mpampahalala vaovao   momba ny asa sy ny mpamatsy vola  ka fotoana lehibe io azo ifanakalozan-kevitra. Nandritra ny valandresaka natao ho an’ny mpanao gazety ny talata  teo no nahafantarana fa andiany fahatelo ity hotontosaina etsy  Analakely ity ary ny tena  hampiavaka azy  araka ny fanazavan’Atoa Prosperin Tsialonina, tompon’andraikitry  ny Kentia Holding  dia ilay fifaninanana mandrafitra tetikasa natokana  ho an’ny mpandraharaha tanora. Fampindramam-bola  avy amin’ny « Accès Banque » no loka  ho an’ny tetikasa tsara indrindra.

Ho an’Atoa Narison Rafidimanana, minisitry ny Indostria kosa indray dia  fotoana iray io ahafahana manoro lalana ny tanora nahavita  fianarana izay mitombo be ankehitriny, amin’ny  fomba fitadiavana asa. Nanambara ihany koa ny  minisitra  fa  efa hitsangana  tsy ho ela ny satan’ny  mpampiasa vola  mba hanamorana ny  fampindramam-bola ho an’ny mpandraharaha, fa indrindra koa mba hiarovana ny renivola  miasa.

Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT