Actualités

Fampisakafoanana ny ankizy an-tsekoly Mitady 8,4 miliara Ariary hanohizana ny fandaharan’asa


  • Talata 22 Jolay 2014

Fanambin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny hamerina an-tsekoly zaza dimy hetsy amin’ireo dimy hetsy sy iray tapitrisa tokony hianatra raha ny tombana farany. Nisy ny fanentanana nasionaly natao hamerenana an-tsekoly indray ireny ankizy niala an-daharana na voatery niato ireny

Misy ihany koa ny fandaharan’asa fampisakafoanana ny ankizy an-tsekoly ataon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay vatsian’ny PAM mba hanampiana ireo ankizy. Misahana sekoly miisa 1 250 izay ahitana ankizy 219 000 avy ao amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny fandaharan’asa. Fantatra anefa fa vola mitentina 8,4 miliara Ariary no tadiavina hoentina hanohizana ny fandaharan’asa amin’ny taom-pianarana 2014-2015. Mbola ny 4%-n’ny ankizy mpianatra amin’ny ambaratonga fototra ihany koa hatreto no mahita tombontsoa amin’ity fandaharan’asa ity. Marihina fa ny SABER “System Approach for Better Education Result” izay rafitra ao anatin’ny Banky Iraisam-pirenena no fitaovana manetsika hahatrarana ny fanatsarana ny fampianarana, tafiditra ao anatin’izany ny fampisakafoanana an-tsekoly sy ny fahasalaman’ny ankizy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT