Fampiroboroboana ny fizahantany sy asa tanana

Hiara-hiasa ny Minisitera sy ny ONG Tourismes sans frontières


  • Zoma 24 Janoary 2025

Niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia fifanarahana ara-piaraha-miasa ny Minisiteran’ny fizahantany

sy ny asa tanana nosoloin-dRAKOTONIAINA Yves Maurice Sekretera Jeneraly, sy ny ONG Tourisme Sans Frontières notarihin’ny Filohany DUMOULIN Marc omaly alakamisy 23 janoary 2024. Fiaraha-miasa mikendry ny hampiroborobo ny fizahantany sy ny asa tanana eto Madagasikara, amin'ny alalan'ny fandraisana anjara avy amin'ireo matihanina sy ny vondrom-piarahamonina ifotony mandritra ny roa taona. Hanao tan-tsoroka an’ireo vondrom-piarahamonina ny ONG amin'ny alalan’ny :fikarakara drafitra fandrosoana ho an’ny fizahantany, Fampiofanana ireo tompon'andraikitra amin’ny fizahantany eny anivon’ny faritra sy ireo mpikarakara ny fizahantana ;fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo matihanina ao amin'ny sehatry ny hotely sy sakafo ; fanampiana amin'ny famoronana mari-pankasitrahana ho an'ny sehatry ny raphia; fanamboarana sy fampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Andraikitry ny Minisitera ao anatin’izany kosa ny fanamorana ny fanatanterahana iraka ifotony miaraka amin’ny mpiara-miombon'antoka avy amin’ny ONG, fanohanana ny dia amin'ny tetikasa stratejika, famporisihana ireo manam-pahefana eny ifotony, ny mpandraharaha amin’ny fizahantany, ary ireo mpanao asa tanana amin’ny fanatanterahana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT