Actualités

Fampiroboroboana ny fizahantany Nisokatra ofisialy ny Sekoly Agecotour


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny foibeny etsy Ambohimiandra ny sekoly ambony tsy miankina

miompana indrindra amin’ny fambolena sy ny fizahantany ary ny manodidina izany rehetra AGECOTOUR. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra momba ny fiofanana fizahantany ao amin’ity oniversite ity, Bako Ratsifandriamanana, dia isan’ireo fotodrafitrasa hanaovan’ireo mpianatra fampiharana anatin’izany koa ny etsy amin’ny Domaine Tsilazaina Alasora ary toerana fanaovam-pety. Isany koa ny eny Mantasoa izay hanarahana ny fiofanana momba ny jono na “pisciculture”, hoy ny tomponandraikitra voalohany sady misahana ny fiofanana mikasika ny serasera, Annie Andrianaivonirina. Miantsehatra bebe kokoa amin’ny resaka fitantanana sy fandraharahana, hoy ihany i Bako Ratsifandriamanana, satria mifampiankina be dia be ny fandraharahana sy fampandrosoana ny firenena. Iaraha-mahalala anefa, hoy izy, fa 4%n’ny fandraharahana eto Madagasikara ihany no manara-drafitra na “formel” raha toa tsy izay ny 96%. Antony izany mahatonga anay hanao fampiofanana mikasika ny antsoina hoe kolontsaina na maha mpandraharaha na “culture entrepreneurial” amin’io septambra io. Mbola manana tombony afaka mampiasa io tany io amin’ny fandraharahana isika eto Madagasikara. Niakatra ny tahan’ny fizahantany raha mitaha amin’ny zava-nisy 2020-2021. Olana eto anefa ny resaka fotodrafitrasa. Ny olana lasibatrin’ny haintany na “canicule” any amin’ireo firenen-kafa izao te hifindra aty amin’ny toe-tany toy ny antsika daholo. Tsy vitan’ny tsikitsiky sy fahaizana mandray anefa ny fampiroboroboana an’io fizahantany io raha toa ka mbola feno zoridira ny tanàna ary feno kilavadavaka ny arabe, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende: Fitondrana am-bavaka ny AGECOTOUR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT