2 hetsy latsaka no isan’ny mpizahatany mitsidika an’i Madagasikara, araka ny tarehimarika farany navoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany.
Tanjona lavitr’ezaky ny minisitera anefa ny handray mpizahatany hatrany amin’ny 1 tapitrisa amin’ny taona 2020. Mpitsidika vahiny maherin’ny 800.000 no ilaina ho avy eto amintsika ao anatin’ny enin-taona manaraka mba hahatongavana amin’io isa tokony hotratrarina io. Voalazan’ny paikady ho fampiroboroboana ity sehatra ity moa ny tsy maintsy hiomanan’ireo mpiantsehatra rehetra sahady manomboka izao. Tena asa goavana indrindra amin’izany, ohatra, ireo fanavaozana marobe momba ny fotodrafitrasa izay hitadiavana volabe hatrany amin’ny 10 tapitrisa dolara. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny lafiny fandriampahalemana izay fepetra takiana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fizahantany. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa 3 hetsy dolara monja no tetibola Malagasy natokana ho an’ny sehatry ny fizahantany raha 30 tapitrisa dolara kosa izany ho an’ny nosy rahavavy atsy Maorisy, izany hoe 1%-n’ny fampiasam-bola maorisianina no ampiasaintsika eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.