Nisokatra nanomboka omaly alahady 04 febroary hatramin’ny rahampitso
talata 06 febroary ny « Salon international du tourisme » na BIT 2024 any amin’ny Allianz MiCo any Milan Italie. Anisan’ny mandray anjara amin’io ny Malagasy amin’ny alalan’ny ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB) izay manana tranoheva mitondra ny laharana B36 pavillon 4. Fotoan-dehibe hahafahana mampisongadina ny harena hakanton’ny tanànan’i Nosy Be mba hisintonana sy hampahafantarana ireo tolotra ara-pizahantany ao aminy amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Mahatratra 1 300 ireo mpampiranty mandray anjara amin’ny BIT 2024, ary manodidina ny 43 000 ireo mpitsidika andrasana. Tsara moa ny manamarika fa misy ny sidina iraisam-pirenena mampifandray mivantana an’i Nosy Be amin’i Milan.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.