Isan’ireo tontolo afaka nitohy tao anatin’ireny fotoan-tsarotra nolalovan’ny firenena ireny ny sehatry ny fampianarana ambony sy sehatr’asa maro. Ny fisian’ny tekinolojia vaovao eto Madagasikara no anton’ireny, hoy ny avy eo anivon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma.
Isan’ny mbola hisitrahantsika hatramin’izao ao anatin’izany, hoy ny fanazavana, ny “connexion internet haut débit”. Ankoatry ny fanohanan’izy ireo indray ny “Salon de l’étudiant et de l’emploi” andiany faharoa etsy Anosy ny 23 ka hatramin’ny 25 novambra izao dia hampahafantatra sehatr’asa rehetra azo idirana eto Madagasikara eo amin’izay tontolon’ny tekinolojia vaovao sy fifandraisan-davitra izay ity orinasa ity. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo tanora ny tranonkala tokony hidirany ao anatin’izao fampiroboroboana ny atao hoe “digitalisation” izao, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.