Ny 2% n'ny ala honko erak'izao tontolo izao dia hita eto Madagasikara. Harena goavana ara-toekarena sy ara-tontolo iainana izany ary miantoka ny fiharian'ny olona sy sehatra maro eto amin'ny firenentsika,
hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Miantoka ihany koa ny firindran'ny tontolo amoron-tsiraka. Ny 17% n'izany ala honko izany anefa dia potika tanteraka tao anatin'ny 10 taona latsaka. Maro ny antony fa ny voalohany dia noho ny famadihana azy ho saribao, ny fampiasana azy hanaovana "la chaux", ary anamboarana trano ihany koa. Ho fanatantaterahana ny vinan'i filoham-pirenena Andry Rajoelina hamboly hazo amin'ny velarana 40.000 ha isantaona sy hanarina tontolo 40.000.000 ha anatin'ny 10 taona dia noraisin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ho vaindohan-draharaha koa ny fambolena sy fanarenana ny ala honko, hoy ny fampitam-baovao. Natao 5.000 ha ny velarana ho volena ala honko amin'ity taom-pabolen-kazo ho avy ity. Anisan'ny ahitana ezaka goavana amin'izany fambolena izany ny faritra Boeny satria nahitana fahapotehana goavana ihany koa, hoy hatrany ny minisitra. Isan’ny nojerena manokana moa ny kaominin’I Baonamary izay manamorona ny lakandranon’i Bombetoky satria saika mivelona amin’ny jono foza sy drakaka mivelona amin’izay ala honko izay ireo mponina ao an-toerana. Ny 45%n’ireo hazan-drano sy ny 80%n’ireo ronono miakatra ao Mahajanga dia avy ao amin’ity kaominina ity avokoa ka antony ilana izay fampiroboroboana ny voly ala honko izay hatrany, hoy ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.