Fampiratiana ny vokatry ny tantsaha

Raikitra ny santa-bary sy santa-bokatra eny Talatamaty


  • Zoma 20 Jona 2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

dia mahatratra 50% eo ho eo ireo tantsaha mpamokatra eny amin’iny faritra iny. Miezaka ny kaominina araka izany mamatsy fitaovana sy masomboly ho azy ireny arahin’ny fiofanana ka isan-taona ao anatin’ilay hetsika “Santa-bary santa-bokatra” no hampirantian’izy ireo ny vokatra novokariny. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 19 Jona ny hetsika fanokafana mifandraika amin’izany, haharitra 4 andro. Tanjon’ny kaominina ny hahafahan’ireo tantsaha mivarotra ny vokatra novokariny sy hitadiavany lalam-barotra vaovao indray toy ny vokatra ara-pambolena, ny fiompiana, ny jono, ny asa tanana ary ny indostria. Ankoatra ity hetsika ity moa dia nozaraina fanomezana toy ny bisikoitra sy ranom-boankazo ihany koa ireo kilonga madinika ao anatin’ny kaominina Talatamaty noho ny fahatongavan’ny Fetin’ny 26 Jona. Ankizy an-jatony no nisitraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana IFRAAN Mauritus Tanacrex sy ny kaominina.
Pati
Legende : Nandritra ny fitetezana ireo trano eva am-polony notarihin’ny Ben’ny tanana mpisolo toerana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT