Actualités

Fampirantiana momba ny fahandroan-tsakafo Miditra amin'ny andiany fahefatra ny hetsika


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Toy ny fanaony isan-taona dia hanatanteraka ilay fampirantiana momba ny fahandroan-tsakafo maneran-tany indray ny AFT etsy Andavamamba. Andiany fahefatra izy ity, hanomboka rahampitso alakamisy 11 septambra haharitra valo andro

»Faites voayger vos papilles », io no lohahevitra hampitondraina  ny hetsika hanoloran’ireo manampahaizana  manokana momba ny sakafo ireo tsiambaratelo rehetra mahakasika ny fahandroan-tsakafo. Tafiditra ao anatin’izany ireo manampahaizana miara-miasa akaiky amin’ny AFT na  ny eto an-toerana na ny avy any ivelany. Tanjona raha ny fanazavan’Andriantsoa Andriamihanta, lehiben’ny departemantan’ny kolontsaina ao amin’ny AFT etsy Andavamamba ny hahafahana  mampiroborobo ny sehatry ny kolontsaina amin’ny alalan’ny sakafo. Asaina  ho avy hanotrona ny fotoana ny daholobe satria dia maimaimpoana ny fidirana. Tsara ny mampahatsiahy fa ry zareo Frantsay no tena namorona voalohany ity fampirantiana momba  ny fahandroan-tsakafo maneran-tany ity. Na izany aza anefa ny soa fianatra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT