Fampiofanana hanamory

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny


  • Alarobia 22 Aprily 2026

ENEAM fa mety hampidi-doza…

Natsahatry ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) tarihin’ny Tale Jeneraliny Faniry Alban Rakotoarisoa ny 14 aprily 2026 teo ny taratasy fanamarinana ATO (Agrément d’Organisme de Formation) an’ny ENEAM (Ecole Nationale d'Enseignement de l'Aéronautique et de la Météorologie) mampiofana momba ny famoriana fiaramanidina sy ny famantarana ny toetr’andro. Tsy manan-kery intsony ny ATO laharana N° 5R-M.001.2024. Milaza ny ACM fa vokatry ny tsy fanarahan-dalàna mitohy sy ny tsy fanatanterahana ny fepetra fanitsiana taorian’ny fanaraha-maso natao ny 13 sy 14 febroary 2025 no antony. Nisy tsy fanarahan-dalàna lehibe tsy voavaha, fandikan-dalàna amin’ny fe-potoana napetraka, fanovana ho tsikera ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny 19 desambra 2025, ary tsy fanaterana fangatahana fanavaozana ara-potoana. Milaza ny ACM fa nanaraka dingana mazava hatramin’ny fanaraha-maso voalohany tamin’ny 13 sy 14 febroary 2025, ny fampahatsiahivana voalohany tamin’ny 18 marsa 2025, ny fampahatsiahivana faharoa tamin’ny 24 marsa 2025, ny fanitarana fe-potoana manokana 15 andro tamin’ny 7 avrily 2025, ny fanairana sy fampitandremana ofisialy tamin’ny 19 desambra 2025, ary niafara tamin’ny fanambarana ofisialy ny fanafoanana tamin’ny 10 avrily 2026. Voatery atsahatra avy hatrany ny asa fampiofanana rehetra eo anivon’ny ENEAM, averina ao amin’ny ACM ny taratasy fanamarinana tao anatin’ny 5 andro fiasana, ary hampahafantarina avy hatrany ny mpiasa sy ny mpianatra rehetra voakasika. Nanamafy ny ACM fa ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fahaverezan’ny fitokisana, ka nitarika amin’ny fanafoanana tanteraka ny asa fampiofanana, izay mampidi-doza amin’ny lalan’ny fiofanana ho an’ireo mpianatra efa nisoratra anarana. Tsy maintsy manatanteraka dingana maromaro ny ENEAM raha mbola mikasa ny hangataka indray ny ATO (Agrément d’Organisme de Formation). Voalohany, mamaha tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna rehetra hita tamin’ny fanaraha-maso. Faharoa, manatanteraka 3Root Cause Analysis3 sy drafitra hisorohana ny fahadisoana mitovy. Fahatelo, manavao ny rafitra fitantanana ny fiarovana SGS. Fahefatra, mandefa fangatahana vaovao ho an’ny taratasy fanamarinana miaraka amin’ny antontan-taratasy feno sy fanavaozana. Farany, manasa ny ACM hanao fanaraha-maso vaovao. Ny ACM kosa andaniny, dia tokony hijery sy hanombana ny drafitra fanitsiana atolotry ny ENEAM, hanafoana fanaraha-maso ara-batana sy fanamarinana, hanamarina ny fahafahan’ny sekoly ara-bola sy ara-pitaovana, hanome taratasy fanamarinana vaovao raha mahafa-po ny fanaraha-maso, ary hanara-maso akaiky ny ENEAM mandritra ny fe-potoana fitsapana. Ny fanarenana dia tsy ho mandeha ho azy. Ny sakana lehibe dia ny tsy fanarahan-dalàna mbola tsy voavaha. Raha tsy manaporofo amin’ny fomba mazava sy ara-taratasy ny ENEAM fa voavaha tanteraka ireo olana hita tamin’ny fanaraha-maso, dia tsy afaka hanala ny sazy ny ACM, raha ny loharanom-baovao avy amin’io rafitra miantsoroka ny fandrindrana ny fivezivezena an’habakabaka io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Fampandrosoana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena

  • Tafapetraka ny PDS
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Feno Ralambomanana

  • Fanarenana an'i Toamasina
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tohana 12 miliara Ar voazara,

Hijery ny tohiny
FTT