Nosamborin’ny polisim- pirenena
omaly i Anmora Ratovomanarivo, mpitarika ny SMJ na Sendikan’ny Mpiasa-Jirama. Voalaza fa nanome baiko ireo mpihanika andrin-jiro nanapaka jiro teto Antananarivo afak’omaly, nampanao ny « Black out » na fanapahana tanteraka ny herinaratra tao Toamasina omaly atoandro, nanapaka ny herinaratra omaly tamin’ ireo principaux sites : Toliara, Fianarantsoa, Mahajanga... Fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena na "Atteinte à la sûreté de l'État », fiantsoana fankahalana na « incitation à la haine », ary fanimbana fananam-bahoaka no vesatra hitazonana azy, izay nentina teny amin’ny Kaomisaria Tsaralalana. Izy raha tsiahivina no nitarika ny hetsika, nanambara fa hanomboka ny hetsika “service zéro” manerana ny Nosy. Nilaza fa hisy fahatapahan-jiro faobe ho an’ny omaly ho mariky ny tolona sy ny fitokonana. Nanambara ho tsy mandray baiko intsony avy amin’ny mpitantana ny mpiasa ary tapaka tanteraka ny fifampiraharana. Nambaran’ny pejy ofisialin’ny JIRAMA afak’omaly, fa misy vondron’olona mitety masoivoho sy birao samihafa izay voalaza fa miteraka korontana ao anatin’ny orinasa. Sendika maro tao anatin'ny Jirama no nanameloka ny fihetsiny sy nilaza fa tsy miombon-kevitra amin'izao omaly. Anisan’ny anton’ny antso fitokonana moa fanesorana ny Tale Jeneraly Ron Weiss izay nambaran’ny Fanjakana fa hisy aloha fitsirihana na « audit », ny fanafoanana ny sata vaovao izay heverin’izy ireo fa manimba ny orinasa sy mitarika amin’ny privatisation, ny fanafoanana ny filankevi-pitantanana izay lazain’izy ireo fa efa tapitra ny fe-potoam-piasany, ary ny famotsorana ireo mpiasa voafonja ao Antanimora noho ny raharaha heverin’izy ireo fa tsy rariny. Saika afera maloto ara-pitantanana anefa no mahasaringotra ny ankamaroan’ireo mpiasa voafonja raha ny fanamarihana. Raha ny loharanom-baovao dia ny 03 novambra teo no nihaona tamin’ny Filoham-pirenena ireo filohan’ny sendika tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina, ka naverin’ny Filoham-pirenena ny antso hiverenan’ny mpiasa hiasa sy nampanantena ny hamaha ny olana. Misy rariny ny fitakiana saingy misy efa tafahoatra satria efa gafy ara-toekarena manohintohina ny tombotsoan’ny besinimaro. Tafiditra amin’ny antsoina hoe : « services essentiels » ihany koa ny Jirama, ka voafaritry ny lalàna fa tsy maintsy misy fiandrasan-draharaha. Na izany na tsy izany, misy ihany ireo teboka mila jerena mikasika ny fitakiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.